Matetika antsoina hoe “Ilay sangan’asa mifono mistery”, ity fizarana ity dia manomboka amin’ny bokin’ny Hebreo, boky izay mihoatra noho ny boky hafa rehetra ao anatin’ny Baiboly, izay mampifamatotra ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. Ny Bokin’ny Hebreo dia maneho an’i Jesosy Kristy ho Ilay Mesia Izay naminaniana tao amin’ny Testamenta Taloha, amin’ny maha-Tompo Izay naseho tao amin’ny Testamenta Vaovao sy ho Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka ho avy Izay ho avy indray. Ity fizarana ity dia momba an’ilay antsoina hoe “epistily ankapobeny.” Nantsoina hoe “jeneraly” izy ireo satria tsy voatery ho an’ny fiangonana, tanàna na olona iray akory fa nosoratana ho an’ny fiangonana amin’ny ankapobeny. Tahaka ny epistily nosoratan’i Paoly, dia mirakitra torolàlana manan-danja ho amin’ny fahasalamana araka an’Andriamanitra ho an’ny fiangonana izy ireo. Farany, ity fizarana ity dia mifarana amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Ny votoatiny betsaka amin’ity boky ity dia miompana amn’ny fahitana hitan’ny apostoly Jaona fony izy sesitany tany Patmosy. Ary Andriamanitra nanome an’io fahitana io an’i Jaona ny amin’ny zavatra ho avy amin’ny faran’ny zavatra rehetra. Ny Bokin’ny Apokalypsy dia feno sary an-tsaina sy tandindona ary sarotra takarina; kanefa na dia izany aza, dia boky manan-danja izy io, izay mamporisika ny mpino hahafantatra fa any am-parany, dia handresy ny fahavalony Andriamanitra ary ny olon’Andriamanitra dia hiaina mandrakizay miaraka Aminy.
Nanome modely azo ampiharina, ara-pifandraisana sy ara-teolojika momba ny fanambadiana i Petera; Kristy sy ny Fiangonana. Ny olana voalohany amin’ny […]
Ao amin’ny Petera faharoa no ianarantsika fa ny fahasoavana sy ny fiadanana dia azo ampitomboina amintsika amin’ny alalan’ny fahalalana an’Andriamanitra […]
Ny tanjon’ity fandaharam-pianarana ity dia ny hampiditra ny olona ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy hampiditra ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny olona. Ny […]
Comments are closed.