Tantara: Mpitsara – Estera

Tantara: Mpitsara – Estera

Ny bokin’ny Mpitsara hatramin’ny bokin’i Estera dia manohy ny tantaran’ny Isiraely, eo amin’izay ijanonan’izany ao amin’ny bokin’i Josoa. Taorian’ny nahafatesan’i Josoa dia mpitsara maromaro nifanesy no nitondra ny Israely. Ity fotoanan’ny tantaran’ny Isiraely ity dia miavaka amin’ny fihodinan’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra. Mbola mitohy misy fiantraikany teo amin’ny zanak’israely ny kolontsain’ireo hafa firenena teo amin’ny tany ary ny farany aza, dia mitalaho amin’Andriamanitra izy ireo mba hanana mpanjaka olombelona mba hanapaka azy ireo. Manome azy ireo izany faniriana izany ihany Andriamanitra na dia mandà Azy tsy ho Mpanjakany aza izy ireo. Ny mpanjaka voalohany dia tsy nahomby fa ny mpanjakan’ny Israely faharoa sy fahatelo – Davida sy Solomona – dia nahitana ny fotoana fahombiazana lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny fanjakan’ny Israely, ao anatin’izany ny fananganana ny tempolin’Andriamanitra any Jerosalema. Taorian’ny fahafatesan’i Solomona, dia nizara roa fanjakan’ny Israely – ny fanjakana avaratra sy ny fanjakana atsimo. Manomboka eto, dia voamariky ny fahotana tamin’Andriamanitra ny tantaran’ny Israely mandram-pahababoan’ny fanjakana hafa azy ireo ary vokatr’izany, dia lasa sesitany ireo vahoaka ireo. Kanefa tsy mijanona eto ny tantara, fa mbola tsy mamela ny olony Andriamanitra ary mijanona ho mahatoky amin’ny fanekena Izy na dia tsy nahatoky Taminy aza ny zanak’israely. Ireo boky farany ao amin’ity fizarana ity dia mitantara ny tsy fivadihan’Andriamanitra na dia sesitany aza izy ireo, sy ny fenendrena mpanapaka izay mitondra ny vahoaka miverina any amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra azy ireo

Lessons

Lesona azo trandrahana:

Ny fijalian’ny Apôstazia

Author: malagasy@auth

Fitia eo noho eo

Author: malagasy@auth

Ny Fanjakan’Andriamanitra

Author: malagasy@auth

Nandre an’Andriamanitra

Author: malagasy@auth

Mpanjaka sy Mpaminany

Author: malagasy@auth

Zavatra nesorina

Author: malagasy@auth

Ny mombamomba ny Mpitarika

Author: malagasy@auth

Comments are closed.