Ireto misy fanontaniana vitsivitsy mipetraka matetika, raha mila fampahafantarana fanampiny ianao na manana fanontaniana manokana, dia aza misalasala mifandray aminay. Hanampy anao am-pifaliana izahay.
Iza no namorona fitaovana?
Ny fitaovana dia nanomboka tamin’ny taona 1970 sy 80 tany, nosoratana pasitera kristianina. Ny version fohy kokoa dia natontan’ny ekipan’ireo nahazo diplaoma tamin’ny Seminera tamin’ny taona 2020.
Misy ifandraisany amin’ny antokom-pinoana Kristiana ve ity fitaovana ity?
Ny fandaharam-pianarana dia tsy manohana antokom-pivavahana manokana. Ny toerany ara-teôlôjika dia tena ara-pilazantsara ary miompana amin’ ny Fifanekena Lausanne. Amin’ireo foto-pampianarana niadian-kevitra tany am-piangonana dia matetika ny fandalinana no maka toerana antonontonony manoloana ny foto-pampianarana, amin’ny alalan’ny fanehoana ireo fandikana sy fampiharana samihafa izay dinihina.
Misy fanamarinana fahavitana fianarana ve?
Miasa momba ny programam-panomezana taratasy fanamarinana izahay amin’izao fotoana izao
Misy vola aloa ve raha mianatra amin’ny alalan’ny aterineto?
Ireo fitaovana eto amin’ity tranonkala ity dia azo adika malalaka ho amin’ny tanjona tsy ara-barotra (tsy misy resaka volamba) mba ho azo tampiasain’ny olona tsirairay sy ny vondrona. Azafady mba hajao ny zon’ny mpamorona ary aza manova ny fitaovana na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona. Raha te hampiasa ny votoatiny amin’ny fomba fanovana ianao dia mifandraisa amin’ny fikambananay dia afaka mifanakalo hevitra momba izay azo atao izahay.
Azoko atao ve ny misintona an’ireo lesona?
Eny. Azonao atao ny misintona ny lesona fianarana, na ny audio (lesona henoina) na ny amin’ny rakitra PDF. Afaka mahita ireo rohy ianao eo ambanin’ny lesona tsirairay. Azafady tompoko, aza ovaina ny fitaovana raha tsy hoe angaha efa nahazo alalana an-tsoratra avy tamin’ny fikambananay ianao.
Azoko atao ve ny mitarika ny vondron’olona ampianariko amin’ny alalan’ity fitaovana ity?
Eny. Mampahery ny olona tsirairay avy izahay mba hisintona ny fitaovana mba ho azo ampiasaina amin’ny vondron’olona vitsivitsy
Ahoana no ahafahako mampiasa ny Baiboly miaraka amin’ny fianarako?
Maro ny olona no mangataka ny lisitr’ireo toko sy andininy ao amin’ny Baiboly izay azo vakina alohan’ny lesona tsirairay. Ity fandalinana ity dia tsy fandalinana ny Baiboly isaky ny andininy ary indraindray ny boky iray manontolo dia voarakitra ao anatin’ny lesona anankiray. Ny fomba tsara indrindra hamakiana Baiboly mba hifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana dia ny famakiana ireo boky ao amin’ny Baiboly izay voarakitra ao amin’ny fampianaranao mandritra ny fotoana ampianaranao izany fampianarana manokana izany. Ohatra, rehefa mianatra ny “Asan’ny Apostoly-Romana” ao amin’ny Testamenta Vaovao ianao, dia manomboha mamaky ireo boky roa tonta amin’ny hafainganam-pandehana mitovy amin’izay fotoana ilainao hihainoana an’ireo lesona audio rehetra ao anatin’ny fampianarana.
Inona no ataoko raha manana olana amin’ny fampiasana ny tranokala aho?
Raha sendra olana ianao amin’ny lesona audio na ny lesona henoina izay tsy mandeha, dia mba ampahafantaro anay azafady ao anatin’ny fizarana fifandraisana.