Fandaharam-pianaran'ny Fandinihana Baiboly
Mino izahay fa ny fanabeazana sy ny maha-mpianatra dia mifamatotra akaiky ary noho izany, dia iankinan’ny ain-dehiben’ny fiangonana. Tsy ampy ho an’ny mpino ny mandray fotsiny ny votoatiny, ka hanjary mpandray vaovao fotsiny. Araka ny voalazan’ny Soratra Masina, dia tsy maintsy ho “mpankato ny teny isika fa tsy mpihaino fotsiny ihany.” (Jakoba 1:22) Raha tsy mampihatra sy manaraka izay nianarantsika koa isika, dia tonga tahaka ilay nolazain’i Jakoba hoe: “izy dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin’ny fitaratra; fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin’izay, dia adinony ny tarehiny. ” (Jak. 1: 23-4) Ity fitsipiky ny fihainoana sy fanaovana ity dia mifandraika tsara amin’ny maodelin’ny fampianarana momba ny tantara, izay manolotra ny fomba tsara indrindra hianaran’ny olona zavatra anankiray dia ny tonga dia hampiharany azy avy hatrany, fampianarana hita maso.
Noho izany, sady ampianarana no amolavolana ity fandaharam-pianarana izay manome vahana ny tontolo iainana mety amin’ny fitomboana sy fahamatorana ara-panahy ity. Ny lesona tsirairay dia mametraka ireto fanontaniana telo amin’ny andalana ireto: “Inona no zavatra lazainy?” (Fandinihana), “Inona no hevitr’izany?” Dikan-teny), ary “Inona no dikan’izany amiko?” (Fampiharana) Ao anatin’ny lesona tsirairay dia ho fantatrao ny dikan’ny andalan-tsoratra iorenan’ny tontolo niaingan’ny mpijery.
Miaraka amin’izay, dia hianaranao koa ny fomba hampiharana izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao. Ny fitaovana fanampiny izay miaraka amin’ny lesona tsirairay avy dia mampitombo ny vondrom- mpianatra madinika ary mamporisika ny fampiharana eo noho eo eo ny zavatra nianarana eo amin’ny fiainana, ampiarahina amin’ny fifandraisam-piaraha-monina mangarahara.
Manaraka, avelao izahay hisarika ny sainao ho amin’ireo singa voalaza eto ambany, izay manome torolàlana bebe kokoa ny fomba fampiasana an’ity fitaovana ity.
Ahoana no fomba fampiasana azy?
Lesona audio:
Mizara ho fampianarana maromaro ny ao anatiny. Ny fampianarana tsirairay dia hisy lesona maromaro izay mirakitra ny votoaton’ny fampianarana. Ny lesona tsirairay avy ao anatin’ny fampianarana dia amin’ny endrika audio na lesona henoina ary azo trandrahana maimaimpoana ao anatin’ny tranokala. Ireo lesona ireo dia azo henoina na koa trandrahana mba ho azo ampiasaina amin’ny fotoana manaraka. Ny lesona audio na lesona henoina dia tena mety ho an’ny fampianarana vondron’alona.
Tari-dalana ho an'ny mpitarika:
Ity fitaovana ity dia andian-torolàlana (amin’ny rakitra PDF) hampiasain’ny mpitarika vondron’olona vitsivitsy. Ho an’ny lesona Audio tsirairay dia misy lesona mifandraika amin’izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Mpitarika. Ny toko voalohany amin’ny fampianarana rehetra dia misy fitaovana fanampiny ho an’ny mpitarika miaraka amin’ny torolàlana momba ny fomba fitantanana vondron’olona vitsivitsy. Manaraka izany ny famintinana ny lesona, ny fanontaniana fandinihana hosaintsainina, fanontaniana ho an’ny resadresaka misimisy kokoa, ary ny fanontaniana fitsapam-pahaizana sy valiny izay mifandraika amin’ny fitaovana ampianarina ao amin’ilay lesona mifanaraka amin’izany.
Boky fampiharana ho an'ny mpianatra:
Ity fitaovana ity dia andiam-boky fampiharana (amin’ny rakitra PDF) azon’ny mpikambana ao anatin’ny vondron’olona vitsivitsy mpiasaina. Ho an’ny lesona audio la lesona henoina tsirairay, dia misy lesona mifandraika amin’izany ao anatin’ny Boky fampiharan’ny Mpianatra. Mirakitra famintinana fohy ny lesona izy ireo sy ireo andininy fototra ao amin’ny Soratra Masina izay nampiasaina. Ho fanampin’izay, dia ireo fanontaniana ao anatin’ny Torolàlana ho an’ny Mpitarika ihany no ao anatin’ny Boky Fampiharana hoan’ny Mpianatra (anesorana ny valiny).
Boky kely famintinana ny Fianarana:
Ity fitaovana ity dia atolotra ho fampahalalana fanampiny ho an’ny mpitarika vondrom-mpianatra na ho an’ ny mpianatra tsirairay. Ireo boky kely (ao anaty rakitra PDF) dia tsy manaraka ny rafi-pampianarana ao anatin’ireo lesona audio, fa ny fampahalalana kosa dia tena ilainao sy manampy anao amin’ny fianaranao ny Baiboly. Ny fomba tsara indrindra hampiasana ireo Boky kely Fianarana dia ny fandraisana azy hoty ny fitaovana fanampiny na fanadihadiana ny fampianarana (Ohatra: Genesisy – Eksodosy – Asan’ny Apostoly – Romana, sns.).